Nanolotra ny taratasy fanendrena azy tamin’ny Filohan’ny Repoblika frantsay ny Ambasadaoron’i Madagasikara SEM Michel Frédéric Joro RABEMAHEFA

Alatsinainy 5 oktobra 2026

Nanolotra ny Taratasy fanendrena azy tamin’Andriamatoa Emmanuel MACRON, Filohan’ny Repoblika Frantsay, tao amin’ny Lapan’i Élysée, Paris, ny alatsinainy 5 oktobra 2026, Andriamatoa Michel RABEMAHEFA, Ambasadaoro Mahefa sy Feno fahefan’ny Repoblikan’i Madagasikara any amin’ny Repoblika Frantsay.

Bis_002.jpg

Ity lanonana ity no namarana ny dingana ara-pomba ofisialy amin’ny fankatoavana azy amin’ny maha Ambasadaoron’i Madagasikara any Frantsa azy, taorian’ny nanolorany ny dika mitovy amin’ny Taratasy fanendrena azy tamin’ny Protocole d’État frantsay, ny 2 jolay lasa teo.

Ao anatin’ny fanatanterahana ny andraikiny, ny Ambasadaoro Michel RABEMAHEFA dia hiasa amin’ny fanamafisana hatrany ny fifandraisana, ny fifanakalozan-kevitra ary ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Frantsa, ary koa amin’ny fampandrosoana ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny firenena roa tonta.

Bis_003.jpg

Dingana lehibe eo amin’ny fanatanterahana ny iraka nankinina taminy izany, ary manamarika pejy vaovao eo amin’ny fifandraisan’i Madagasikara sy Frantsa.

#Madagasikara #Frantsa #DiplomasiaMalagasy #AmbasadinIMadagasikara #MadagasikaraFrantsa #FifandraisanaMadagasikaraFrantsa #Diplomasia #TaratasyFanendrena #Elysee #FiarahaMiasa #FanavaozanaMadagasikara