Nihaona sy nitafa tamin'ireo Malagasy ampielezana ao Frantsa ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA

Nihaona sy nitafa tamin'ireo Malagasy ampielezana ao Frantsa ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA androany 28 aogositra 2021 tao amin'ny masoivohon'i Madagasikara teto Paris izar niarahana tamin'ireo mambra ny governementa sy ny Masoivohon'i Madagasikara eto Frantsa Olivier Rija RAJONHSON. Nisaotra ireto mpiray tanindrazana tonga maro be naneho firaisankina nandritra izao fihaonana izao ny Filoham-pirenena.

240878843 2881389138789151 2558789835086393614 n

Nohamafisiny ihany koa fa voninahitra lehibe ho an'i Madagasikara ny fanasana azy ho vahiny manan-kanja nandritra ireny fihaonana lehibe nokarakarain'ny MEDEF ireny ary tsy hikely soroka ny fitondram-panjakana izay tarihiny hitondra avo ny anaran'i Madagasikara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena.
"Isika Malagasy rehetra no mila miray fo sy miara-mientana ary mandray andraikitra amin'izay tandrify azy mba hampandroso ny firenentsika na aiza na aiza misy antsika ary tokony ho saro-piaro amin'ny fitiavana an'i Madagasikara isika" hoy ny nambaran'ny Filoha Andry RAJOELINA.

240952903 2881389145455817 2559601986616807243 n

Nozaraina tamin'ireto mpiray tanindrazana ireo ihany koa ireo tetikasa lehibe apetraka ho fampandrosoana an'i Madagasikara ka anisan'izany ny eo amin'ny sehatry ny fitaterana, ny fahasalamana, ny tetikasa MIAMI sy ny fampandrosoana ny faritra atsimon'ny Nosy.

Nambaran'ny Filoham-pirenena fa hiroso ihany koa ny fandaminana mba hahafahan'ireo Malagasy monina eto Frantsa handray anjara amin'ny fifidianana amin'ny taona 2023. Marihina moa fa tonga nanatrika ity fihaonamben'ny Malagasy ampielezana teto Frantsa ity avokoa ireo Malagasy avy amin'ny lafivalon'i Frantsa. Teo ihany koa ireo Malagasy avy any amin'ny firenena eropeana hafa toa an'i Belgique sy Italie.

WhatsApp Image 2021 10 01 at 10.56.56