Rapatriement 2021

FITATERANA ANAHABAKABAKA

Fanambaran’ny Filoha Andry Rajoelina, androany alahady 08 aogositra 2021, momba ny fitaterana anahabakabaka.

Tsy mbola misokatra ho an’ny rehetra ny sisintany, saingy hisy ny « vols de rapatriement » miainga avy any Paris mankaty Antananarivo, miisa 4 amin’ireto daty manaraka ireto:

- alahady 22 aogositra 2021.
- sabotsy 28 aogositra 2021.
- alahady 12 septambra 2021.
- alahady 19 septambra 2021.

Ireo fepetra takiana hahafahana mandeha an'ireo sidina fampodiana ireo:
- manana pasipaoro malagasy;
- manana adiresy mazava tsara eto Madagasikara;
- manana taratasy manamarina fa efa tokony hody eto Madagasikara, rehefa nanana antondia mazava tany ivelany;
- nahavita test PCR (négatif) talohan’ny niaingana sy eo ampahatongavana;
- manaiky ny hanao fihibohona any amin’ny hotely na eny amin’ny Centre de loisirs CNAPS Vontovorona.

Amin’ny maha sidina fampodiana azy, dia tsy manana fahafahana hivoaka an’i Madagasikara ireo rehetra nandeha ireo sidina ireo, mandram-pisokatry ny sisintany.

Ny fisoratana anarana dia azo atao eny amin’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny sy any amin’ny masoivohon’ny Madagasikara any Paris na any amin’ireo masoivoho malagasy any amin’ny firenena hiaingana.

 

Télécharger la version PDF:   Français Malagasy